Publié dans Malagasy

Antsanitia-Mahajanga - Mpianatra miisa dimy niara-namoy ny ainy

Publié le vendredi, 25 avril 2025

Mpianatra nanao dia fibeazana miisa dimy no indray namoy ny ainy tao amin'ny moron-dranomasin'Antsanitia, Mahajanga ny 24 aprily 2025 lasa teo, tokony ho tamin'ny iray ora folakandro. Nilalao ranomasina ireo mpianatra, raha ny fanazavana. Nilentika ny iray ka niroboka namonjy ireo efatra namany. Samy tsy nisy nipoitra intsony anefa izy dimy ka raikitra ny horakoraka sy antso vonjy. 

Mpianatra avy ao amin'ny Lisea Manjakandriana izy ireo. Kilasy voalohany sy faharoa ary famaranana saika manodidina ny 14 hatramin'ny 16 taona avokoa. Miisa 104 ny mpianatra sy mpampianatra indray tonga tany Mahajanga hiatrika ity dia fibeazana ity saingy izao tra-doza izao. 

Manoloana ity tranga ity, nanao fanambarana ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ary maneho ny fiaraha-miory sy fankaherezana ho an'ireo niharam-boina sy ny ray aman-drenin'izy ireo tsirairay avy, ny sekoly sy ny mpiandraikitra rehetra. « Vao naheno ny loza ny minisitera dia nandray ny andraikiny avy hatrany ary niara-nisalahy tamin'izany ny DREN Boeny sy DREN Analamanga, ary ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny manoloana izao tranga mampalaelo izao », hoy ny fanazavana. 

Nampatsiahy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny talen-tsekoly, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra ny ministera fa ny dia fibeazana na ny « voyage d’études » dia fehezin'ny naoty laharana 2024/915 tamin'ny 12 septambra 2024. Manomboka amin'ny fangatahan-dalana izany, ny fisafidianana ny fiara, ny tompon'andraikitra afaka manome ny fahazoan-dalana, ny fankatoavan'ny ray aman-dreny, ny fitandremana mila atao. 

« Tsy azo terena na mivantana, na an-kolaka ny mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’izany fa manana safidy malalaka. Mila lamina maty paika ny fikarakarana, ka tsara raha mametraka fiaraha-miasa akaiky ny sekoly sy ny ray aman-dreny amin'ny fanantanterahana izany », hoy hatrany ny fanambarana.

J.M

Fil infos

  • Dissensions internes - Le régime fragilisé 
  • 65 ans d’indépendance - Levée des couleurs officielle ce lundi à Analakely
  • Actu-brèves
  • Lutte contre le Sida - Un recul national de Madagascar, selon l'ONUSIDA
  • Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby - « Les zones d’encadrement minier sont indispensables pour éradiquer la pauvreté extrême à Madagascar »
  • Business et développement - La Grande île éveille l’intérêt des investisseurs à Dubaï
  • 45e sommet de la SADC à Madagascar - Rendez-vous le 17 août
  • « Madagascar – Dubaï business forum » - Le secteur privé malagasy à la conquête des Emirats arabes unis
  • Elections communales à Andriamena-Chrôme - Y-a-t-il tricherie « à la volée » ?
  • ACTU-BREVES

La Une

Recherche par date

« June 2025 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Pub droite 1

Editorial

  • De qui … !
    Ravalomanana Marc et Rajaonarimampianina Hery, les deux anciens Chefs d’Etat, se rencontraient dans la capitale française, à Paris, le 12 avril. Ils concoctaient quelque chose … d’anormal plutôt absurde. Les deux ex, Ravalomanana et Rajaonarimampianina, se disaient profondément préoccupés de la situation qui prévaut au pays et publiaient en effet un « Communiqué conjoint » ! Mais, de qui se moque-t-on !

A bout portant

AutoDiff